Fandriampahalemana

Tsy kely lalana ny ratsy Atody indray no ampiasain’ny jiolahy hampijanonana fiara


  • Zoma 31 Martsa 2023

Tena efa tsy milamina intsony ny fandriampahalemana eto amintsika. Fiarakely iray handeha hamonjy fodiana nandalo teny Itaosy teny ny Alarobia alina lasa teo no notorahin'ny jiolahy atody ny parebrise’ny.

Manakaiky ny mpamily mihitsy io voatoraka atody io raha araka ny vaovao azo. Soa ihany anefa fa tsy nikitika essuie glace ilay mpamily fa niezaka ny nandeha moramora fotsiny saingy tsy nijanona ihany koa. Raha araka ny fanadihadiana natao moa dia betsaka ireo mpamily efa tratran'izao. Anisan'ny tena mampitaraina ny maro ny eny amin'ny digy miazo an'Anosipatrana izay hendahin'ireo jiolahy avy hatrany izay fiara tratrany no sady robainy sy vonoiny ihany koa ireo olona ao anatiny. Avy hatrany dia manjavona , tsy ahitana na inona na inona intsony mantsy ny parebrisen'ny fiara raha vantany vao tratran'ny atody indrindra raha mampiasa essuie glace koa dia tsy mantsy mijanona. Ny fanontaniana hafa izao dia ny hoe ; nividy atody ve izany ireo jiolahy, sa efa atody avy nangalarina koa no atoraka amin’ny fiara mandalo ? Tsy kely lalana marina ny ratsy.
Pâti
Légende : Tahaka izao ny nanjo ilay fiarakely nandalo teny Itaosy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT