Fandriampahalemana

Tsy filaminana eto Madagasikara Mangataka fiarovana ny mpiasany ny firenena mikambana


  • Talata 29 Aogositra 2017

Tonga nanao fitsidihana ara-panajana ny Jeneraly Randriamahavalisoa Girard, sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG) tao amin’ny birao fiasany tetsy amin’ny Toby Jeneraly Ramarolahy Betongolo ny Consul honoraire an’ny repoblikan’i Roumanie miasa eto Madagasikara omaly maraina.

 

Noresahana manokana ny fifandraisana eo amin’ny zandarimariam-pirenena Malagasy sy i Roumanie amin’ny lafiny fanofanana, fampitaovana sy ny fifanakalozana traikefa eo amin’ny fanatanterahana ny asa. Fantatra fa hohamafisina sy hohatevenina hatrany ny  fiaraha-miasa. Ny tolakandro  kosa dia solontena avy amin’ny firenena mikambana notarihan-dRamatoa Violet Kakyomya, no nitafa sy nanao dinik’asa tamin’Andriamatoa Jeneraly sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria ka notsipihina manokana ny mikasika ny fiarovana ireo mpiasan’ny firenena mikambana miasa sy mamita iraka eto Madagasikara, indrindra ireo izay miasa any amin’ireo faritra mena toy ny faritra Atsimo. Nanamafy ihany koa ny SEG fa tsy maintsy mandray andraikitra ny zandarimaria amin’ny fiarovana ireo teratany vahiny mamita iraka eto amintsika ho fiarovana ny voninahitry ny firenena sy handraisan’ireo vahoaka ny fanampiana avy amin’izy ireo ary ho fampandrosoana an’i Madagasikara. Midika io fitsidihana io fa sokajian’ny firenena mikambana ho faritra mampanahy fa tsy hitenenana hoe faritra mena amin’ny herisetra sy ny tsy filaminana i Madagasikara ka manahy ny amin’ireo mpiasany izy dia izao mangataka antoka sy fiarovana amin’ny mpitandro ny filaminana izao.

RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT