Fandriampahalemana

Tsy fandriampahalemana Voaratra no sady very vola ilay ramatoa mpivarotra


  • Alakamisy 03 Febroary 2022

Ramatoa iray avy nivarotra trondro tany Miarinarivo ary handeha hamonjy fodiana toy n'y mahazatra isan’andro omaly no sendran’ny asan-jiolahy izay tena tsy nampoizina.

Monina ao Tsianovana Manazary ity Renim-pianakaviana ity ka tafara-dalana tamina tovolahy miisa roa izay noheverina fa mba ho namana. Nanomboka teo Ankazofotsy-Ijely izy ireo no tafaraka. Nony tonga teo amin'ny tetezana hiazo an'Antsahamaina anefa izy 3 mianaka dia dia noendahin'ireto farany ity Ramatoa ka noratraina araka ny hita amin'ny sary ny tarehiny. Ankoatra izay dia nalainy avokoa ny vola rehetra izay vidin'ireo trondro avy namidy tany amin’ity farany sahabo ho 90.000 Ar teo ho eo. Afak’omaly talata 01 febroary tokony ho tamin'ny 06 ora sy sasany hariva moa no nitrangan’ity fanendahana niaro famonoana ity raha araka ny fanazavan’ilay lasibatray. Mila mailo sy mitandrina hatrany araka izany ny rehetra fa ny ratsy tsy tery lalana. Na olona tsy hampoizina mody mampiresaka eny an-dalana izao aza dia mety hamoizana ny aina tampoka ka aleo mitandrina hatrany.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay Ramatoa lasibatra, naratra tahaka izao ny vavany
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT