Tsy fandriampahalemana tao Ankazobe

Tafakatra 89 ny voasambotra, 61 any am-ponja


  • Zoma 15 Martsa 2024

Mpitandro ny filaminana sy tompon'andraikim-panjakana miisa 89

no efa voasambotra, ary 61 no naiditra am-ponja hatreto tamin’ny raharaha tsy fandriampahalemana tao Ankazobe. Ny firaisana tsikombakomba amin'ireo dahalo sy olon-dratsy no nisamborana azy ireo, hoy ny zandarimariam-pirenena. Isan’ny nanamarika ny faramparan’ny taona 2024 sy tato anatin’ny fiandohan’ny taona 2024 ny firogatry ny asan-dahalo tao Ankazobe sy ny manodidina. Anisan’ireny ny raharaha famonoana ny ben’ny tanànan’Andranomiely, izay isan’ny tena nisamborana olona maro be, ka tao anatin’izany no nisian’ireo mpitandro filaminana noahiahiana. Raha ny tatitra tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo, dia nolazaina fa nihena 56,07% ny asan-dahalo isan-karazany, ka anisan’ny nambara fa nanaovana ezaka manokana ny tao Ankazobe. Nambara fa nahitam-bokany ny « opération harato II » izay nanomboka ny 29 febroary, ka ny volana febroary dia 2 sisa ny asa fakana an-keriny, ary foana tanteraka amin’izao marsa izao. Maneho moa ny Fanjakana fa ny ady amin’ny halatra omby, ady amin’ny fakana an-keriny, ady amin’ny fanafihana amin’ny làlam-pirenena, ary ny ady amin’ny fanafihana mitam-piadiana no tena mandrafitra ny asa maika ao anatin’ny 100 andro ka nanaovana ireo tatitra ireo, ka ankoatra ny tany Ankazobe manokana dia nolaziana fa 78,78% ny tahan’ny famerenana amin’ny tompony ny omby nangalarina, ka 1835 no tafaverina. Marina fa maneho izany ny zandary, fa nahomby, saingy tsy takona hafenina ihany koa ny tsy fandriampahalemana amin’ny endriny maro, toy ny vono olona etsy sy eroa, fanafihana mitam-piadiana saika manerana ny Nosy, habibiana samihafa,…
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT