Tsy fandriampahalemana sy vono olona

« Tena tsy voafehy, mila vavaka ny firenena », hoy i Pasitera Heritiana


  • Alakamisy 06 Martsa 2025

Tena tsy voafehy intsony ny tsy fandriampahalemana eto amintsika hoy Pasitera Heritiana Randriarimalala

na dia efa manao izay ho afany aza ny mpitandro ny filaminana. Mitaky vavaka ho an’ny firenena izany raha ny nambarany arahin’ny fitandremana hataon’ny isam-batan’olona toy ny tsy fivoahana irery ny trano amin’ny alina…Mikasika ireo jiolahy mahavita manindrona antsy olona ankitsirano ary manafaka aina mihitsy dia notsindriany fa misy vanim-potoanany izy ireny. Misy fanahy lian-dra mitaky ra any amin’ny tontolo fanahy any ambadika any hoy izy ary mamporisika ireny karazan’olona ireny. Indraindray hoy Pastera Heritiana dia rakofany avokoa na ny mpifoka zava-mahadomelina na ireo tsy mpifoka ka rehefa vitany ilay asa ratsy vao manenina ilay olona. Mitaky fitolomana am-bavaka izany hoy izy raha tokony hangataka fiarovana amin’Andriamanitra ihany koa ny tsirairay mialohan’ny hivoahany ny trano. Ho an’ny Fiangonana Vahao ny oloko misy azy ireo moa dia fantatra fa efa mandeha tsy mitsahatra ny vavaka ho an’ny Firenena ho enti-miady amin’ny tsy fandriampahalemana amin’izao.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala, mpitarika ny trano fivavahana Vahao ny oloko !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT