Fandriampahalemana

Tsy fandriampahalemana Rotiky ny bala ny tarehin'ilay rasazy


  • Talata 28 Aprily 2020

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any amin’ny distrikan’i Morombe. Rasazy na mpampivelona iray no nisy nitifitra teo amin’ny tarehiny ny sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany hariva tao amin’ny hopitaly Ambahikily.

 

 

Vokatry ny hetraketraky ny dahalo no nahatonga izany, izay fantatra fa nahazo vahana tanteraka tokoa, taorian’ny nampangingina ny resana dinabe tany an-toerana. Ankoatra ity rasazy ity dia olona iray ihany koa herinandro lasa izay no notifirin’ny dahalo teo amin’ny tongony ankoatra ny halatr’omby izay efa tena mampiteny ny moana tokoa. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hamerina ilay dinabe any amin’ity distrika iray ity araka izany ireo olom-boafidy any an-toerana ho fiarovana ny ain’ny mponina sy ny fananany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT