Fandriampahalemana

Tsy fandriampahalemana Olona 9 maty naripaky ny dahalo


  • Sabotsy 16 Septambra 2017

Variana mieboebo aty an-drenivohitra ny fanjakana amin’ny resaka drafitra an-taratasy momba ny fandriampahalemana. Aripaky ny dahalo kosa ny olona any Atsimon’ny Nosy.

  Nifanindran-dalana tamin’ny lanonana nanolorana ilay drafitra fanavaozana ny fandriampahalemana na ny PN-RSS teny amin’ny CCI Ivato ny talata 12 septambra teo mantsy no nisian’ny vono olona mahatsiravina tany Fandala any Anosy, Faritra Ihorombe. Notafihin’ny dahalo ny tanàna, ka lasa ny omby 41. Tsy vitan’izay fa nataon’izy ireo vono moka tamin’ny alalan’ny tifitra variraraka ny tompon’omby, ka olona 9 no indray namoy ny ainy. Tetezin’ny dahalo tafihina mihitsy ny tanànan’ny mpifindra monina naorin’ny mopera iray any Ihorombe. Misy tanàna miisa 6 tantaniny mantsy any an-toerana, ka tamin’ny herinandro lasa iny dia ny 3 no notafihin’izy ireo ny tanànan’Amboasary, ary niverenany fanindroany ny fiandohan’ny herinandro teo, ary fahatelo kosa ilay tany Fandala. Tsy vaovao amin’ny sofina intsony resaka tsy fandriampahalemana. Mampanantena ny fanjakana fa handray andraikitra, ary nireharehana fatratra ilay drafitra PN-RSS. Nambara fa hampitomboina ny tetibola amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Ny praiminisitra moa dia nilaza mihitsy, iray volana latsaka izay, fa 2 na 3 volana eo dia hisy ny vokatra azo tsapain-tanana. Miandry ny rehetra hoe hisy tokoa ve izay sa tahaka ilay hoe 3 volana dia mivaha ny delestazy ihany ? Rahoviana vao hilamina ny asan-dahalo any Atsimon’ny nosy sy ny tsy fandriampahalemana manerana an’i Madagasikara ? Efa manomboka ritra ny omby ary miditra amin’ny akoho amam-borona ny dahalo. Ny manampahefana aza tafiditra amina resaka asan-dahalo, ka tsy hita izay azo hantenaina. Mivoaka tsikelikely ny resaka fa misy solombavambahoaka iray akaiky ny fitondrana any amin’ny faritra atsimo anisan’ny mpamatsy ny dahalo. Voalaza izy fa anisan’ny tompon’ireo vovoka simika “Chlorate de sodium” hanamboarana bala hampiasain’ny dahalo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT