TSY FANDRIAMPAHALEMANA NANDRITRA NY FETY

Valolahy no hiakatra Fitsarana ao Mahajanga


  • Alarobia 02 Jolay 2025

Valolahy no indray hiatrika Fitsarana ao Mahajanga taorian'ny hetsika

fampandriana fahalemana natao tany an-toerana taloha sy nandritra ary taorian' ny Fetin'ny 26 Jona teo. Ny 24 jona teo tokony ho tamin'ny 08 ora alina dia tovolahy iray no tratra ambody omby teo am-panaovana sinto-mahery ka mbola tratra teny aminy ilay finday izay nangalariny. Ny Alakamisy 26 Jona tokony tamin'ny 09 ora alina sy tamin'ny 11 ora alina koa teny amin'ny faritra St Gabriel, Tsaramandroso sy Mahavoky atsimo dia dimilahy no indray sarona izay efa misy rain-dahiny mpamerin-keloka amin'ny resaka fanendahana sy sinto-mahery amin'iny faritra iny. Ny andron'ny 27 jona tokony tamin'ny 04 ora hariva ihany koa teny amin'ny faritra Tsararano dia tovolahy iray no tratran'ny polisy teo am-panaovana ny asa ratsiny. Nanambara moa ireo tompon'andraikitra fa ho ataony hazalambo ny naman'izy valolahy ireo mba handry fahalemana i Mahajanga.
Nangonin'i Pati
Légende : Ireo tompon'andraikitra nitafa tamin'ny mpanao gazety omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT