Fandriampahalemana

Tsy fandriampahalemana Mitobaka ny basy an-tsokosoko


  • Alakamisy 04 Aprily 2019

Misy basy miditra an-tsokosoko eto Madagasikara. Io no resaka manokana nivoitra nandritra ny tafa tamin’ny manamboninahitra ambony ara-miaramila eto amin’ny firenena. Nahazo vahana tokoa

 

 

 

 

mantsy tato ho ato ny basy tratra tsy misy arakaraka. Ankoatra ireo vita gasy, maro ireo nohafarana avy any ivelany ka tafiditra an-tsokosoko tsy manara-dalàna eto Madagasikara ka

mitana ny sain’ny mpanara-baovao. Misy amin’izy ireny naiditry ny tambajotran’ny mpanao ratsy niray tsikombakomba tamin’ny manampahefana isan-tsokajiny hatrany amin’ny vavahady

fidirana an’i Madagasikara ka hatrany amin’ny fitondrana foibe. Tsy nandalo ny tompon’andraikitry ny fitaovam-piadiana teto izy ireny. Raha ny loharanom-baovao azo antoka dia misy amin’ireo basy

miparitaka no avy amin’ny fandrobana nandritra ny krizy politika ihany koa. Manamafy izany ny mpiandraikitra ny seraseran’ny zandarimariam-pirenena nandritra ny tafa manokana nifanaovana taminy. “ Ny ankamaroan’ireo kalaky mihanaka

ireo dia karazana basy niditra an-tsokosoko teto an-toerana ary tsy nandalo tamin’ny mpiandraikitra teo anivon’ny mpitandro ny filaminana, tahaka ilay kaontenera feno basy teny Iavoloha tamin’ny

fitondrana tany aloha izay tsy nandalo taty amin’ny foloalindahy.” Betsaka ny basy very nandritra ny krizy politika, hoy ny Komanda Herilalatiana Andrianarisaona, tompon’andraikitry ny serasera sy ny

fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena. Mitaky finiavana politika ny manampahefana isan-tsokajiny na sivily na miaramila ny famongorana tsy misy hatak’andro ny basy miparitaka, raha tena

hampandry fahalemana an’i Madagasikara. Fihetsika ivelany fotsiny ihany mantsy ny tetikady etsy sy eroa fa loharanon’ny olan’ny tsy fandriampahalemana ity fiparitahana basy ity. Tsy vitsy ny mihevitra

fa ny mpitandro ny filaminana no hirika hahazoan’ny olon-dratsy ireny basy ireny. Etsy an-daniny, tsy mbola nisy mangirana tamin’ny fahalalam-baovao koa ny vokatry ny fanadihadiana mikasika izay

mety ho tompony na mpampanofa ireo faladiam-bala na basy tratra ka zary lasa manome tsiny ho azy ny mpitandro ny filaminana ny olom-pirenena.

 

Haja Nirina

 

 

 

Tandindomin-doza ny firenena amin’ireo fiparitahana fitaovam-piadiana mahery vaika

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT