Fandriampahalemana

Tsy fandriampahalemana “Mitaky vahaolana ao anatin’ny 72ora ny zanak’i Menabe”


  • Talata 20 Septambra 2022

Nampiaka-peo, nanome fe-potoana 72ora ho an’ny Fanjakana hamahana ny olana mahazo ny faritra Menabe ny Fikambanan’ny Zanak’I Menabe omaly..

Isan’ny notsipihin’izy ireo ny fahatapahan-jiro mampikolay, izay miteraka tsy fandriampahalemana. Manomboka amin’ny 6ora hariva, tsy miverina raha tsy amin’ny 6ora maraina, hoy izy ireo. Vokany, ny tao Morondava manokana fotsiny dia tsy latsaky ny 3 no maty tao anatin’ny herinandro. Mirongatra ny halatra maso, halatra taova, halatra omby,… saika manerana ny faritra. Mahatsapa ho tany lavitr’andriana, ka raha ny ao Morondava hatrany izay Renivohi-patritra dia tena farany amin’ny fampandrsoana, tsy misy lapan’ny tanàna fa trano efa hatry ny fanjanahan-tany, mainka fa ny any amin’ny faritra hafa. Maninona no tsy homena ben’ny tanàna voafidim-bahoaka izahay? Hoy ny fanambarana. Betsaka ny fampanantenana natao tamin’ny vahoaka fa tsy misy tanteraka. Very fanahy mbola velona, lasan’ny olona ny omby,… ka rehefa fotoam-pifidianana vao mba misy mahalala i Morondava, hoy izy ireo. Tsara ny manamarika fa isan’ny nahazoan’ny kandida N°25 Marc Ravalomanana vato betsaka ny Faritra Menabe ka asa na misy ifandraisany amin’izany na tsia ny mety ho fanaovan’ny Fanjakana ankehitriny anjorom-bala azy ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT