Tsy fandriampahalemana miseho lany

Lasibatra ny herisetra ny mpanao gazety


  • Alakamisy 19 Desambra 2024

Miseho lany ankehitriny ny tsy fandriampahalemana ao Anosibe Namontana, eto Antananarivo renivohitra,

raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Ny alin’ny talata teo dia mpanentana sady mpanao gazety ara-kolontsaina eo anivon’ny radiom-pirenena malagasy na RNM no nisy nanendaka sy nanatsatoka antsy. Lasa tamin’izany ny kitapo nentiny nisy ireo fitaovana samihafa ampiasainy amin’ny onjapeo. Natsipiny kosa ny finday ka tsy azon’ireo jiolahy. Teo amin’ny sorony, kibony, tongony no nokapaina sy notsindromin’ireo olon-dratsy tamin’ny sabatra. Nalaky tonga ireo manodidina ka nirifatra nandositra ireo jiolahy rehefa azony izay nangalariny, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Ny alin’ny alarobia teo koa dia nisy nanendaka, raha izy iny hody eny Alasora iny, ny mpanao gazety, mpaka sary iray, raha ny fampitam-baovao voaray omaly ihany. Ny resaka tsy fandriampahalemana eo fa heverina koa anefa fa isan’ny loza mitatao amin’ny tontolon’ny fanaovan-gazety malagasy ny toe-draharaha toy itony. Aiza ho aiza ny fandraisan’andraikitry ny Olafitra na OJM sy ny fandraisan’andraikitry ny fitondràm-panjakàna sy ny minisitera tomponandraikitra mihitsy amin’ny fiarovana ny ain’ireo mpanao gazety izay tsy mitsahatra manohy ny adidiny ho an’ny tombontsoam-bahoaka amin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao maro lafy? Lasibatra ny mpanao gazety.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT