Tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy

Adino noho ny fiarovan-tseza ny vahoaka sy ny fananany…


  • Alakamisy 06 Martsa 2025

Mena ny tondro saika manerana ny Nosy amin’ny lafiny tsy fandriampahalemana.

Tsy misy tsy lasibatra na olon-tsotra, na manan-katao, na manam-pahefana, na Malagasy, na teratany vahiny,... Mifanohitra tanteraka amin’ny nolazain’ny Filohan’ny Antenimierandoholona fa mandry fahalemana i Madagasikara, afaka mivoaka amin’ny alina ny olona, tsy mahantra ny Firenena satria misy fitohanan’ny fifamoivoizana,… Tena zava-doza anefa no mitranga, saika manerana ny Nosy, tsy tambo isaina ireo trangana fanafihana sy vono olona mahatsiravina raha ny tao anatin’ny 2 volana voalohan’ny taona 2025. Vao herinandro mahery izay no nilazan’ny Solombavambahoaka IRMAR voafidy tany Tsaratanana fa amin’izao dia efa alain’ny dahalo an-keriny hatramin’ny olona mahantra, ary tsy mbola manana vahaolana tena mafonja ny Fitondram-panjakana. Tena tsy voaaro ny vahoaka sy ny fananany, fa mitaintaina andro aman’alina, ka ireo manan-katao toy ny orinasa vaventy na mpandraharaha matanjaka afaka manarama mpiambina sisa mety mandrimandry fahalemana. Ny mpitandro ny filaminana izay karamaina amin’ny volam-bahoaka aza misy mbola alefa hiaro ny tsy miankina. Zary lasa fomba fiasa rehefa misy tranga miseho ny fivorian’ireo tompon'andraikim-panjakana amin’ny alalan’ny OMC (Organe Mixtes de Conceptions) toy ny tao Toamasina manoloana ny tsy fandriampahalemana, ary fomba fiasa saika manerana ny Nosy io. Nambara fa fepetra hentitra no noraisin'ny OMC amin'ny alalan’ny fidinan'ireo mpitandro filaminana eny andalam-pasika, ary tsy maintsy mitondra karampanodro ny olona rehetra feno taona rehefa mivoaka na antoandro fa indrindra amin'ny alina. Zava-dehibe izany, saingy mahitsy ihany koa ny tsikeran’ny olom-pirenena hoe : lasa ny alika vao manangom-bato, tsy tahaka ny amin’ny resaka politika hoe : olona handeha hiazakazaka maraina aza arahina mpitandro ny filaminana zavon-tany,… Tsy resaka fanakianana be fahatany izany, fa rehefa fampiasana ny mpitandro filaminana amin’ny resaka fiarovan-tseza sy fahefana tena rakotra ny tanàna, hary fitaovana,… fa rehefa fiarovana ny vahoaka sy ny fananany tsy mba mitovy amin’izany. Saika manerana ny Nosy ny faritra mena, fa tsy maharototra firy ny mpitondra Fanjakana, fa ny resaka toe-draharaha politika mafampana ihany no mampihetsi-bolomaso azy mba hifehezana vahoaka, hamoretana ny mpanohitra,… Ekena fa misy ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana eny ifotony, saingy maro ihany koa ireo olana sedraina : ara-bola, arak’olona, ara-pitaovana,… Ny tsy fandriampahalemana ihany koa dia taratry ny tsy fahombiazan’ny fitantanana, taratry ny tsy fahombiazan’ny mpitondra, taratry ny tsy fisian’ny famoronan’asa,… Mifanindran-dàlana izany rehetra izany satria tena tsy afa-misaraka amin’ny lafiny toekarena sy sosialy ny fandriampahalemana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT