Fandriampahalemana

Tsy fandriampahalemana Mamono, mandroba, maka taova ny jiolahy


  • Zoma 01 Aprily 2022

Ramatoa iray nandeha moto BWS no nisy nitifitra teny Namontana omaly 31 martsa tokony ho tamin'ny 4 ora sy sasany tolakandro.

 Lasa tamin'izany ny moto sy ny poketra izay tsy fantatra izay tao anatiny. llay jiolahy naka ny moto kosa, nidona tamin'ny fiara rehefa niala kely ny toerana ary vaky nandositra taorian'izay. llay ramatoa kosa voa teo amin'ny takibany ary tsy tana ny ainy raha ny tatitra avy amin'ny polisim-pirenena.
 Ilay ramatoa maty voatifitra teny Namontana omaly

Tsy an-tsaha tsy an-tànana ny tsy fandriampahalemana. Manahirana ilay tsy fandriampahalemana: fanafihana, fandrobana, vono olona, halatra taova,… Teo aloha raha ny zaza varira no lasibatry ny halatra maso sy ny famonoana feno habibiana, izao hatramin’ny olon-dehibe sy ny zaza tsotra tahaka ilay tany Ilakaka sy Taolagnaro. Mody alina misy manakana, eny amin'ny làlam-pirenena misy misakana sy manafika, na alina na atoandro eny ambony moto misy mandroba, na an-tsaha na an-tanàna mandry tsy lavo loha... Ary ny zavadoza : hatramin'ny taolam-balo any am-pasana aza mbola misy mangalatra, manimbazimba kanefa ho an'ny Malagasy, ara-pinoana dia fady tanteraka izany. Eo ihany ny fahantrana ara-materialy sy ara-ekonomia, saingy olana be ara-panahy sy ara- toetsaina mihitsy no miseho lany etsy sy eroa, tsy manaja ny hasin'ny Aina maha olombelona sy ny razana! Matoa izao ny zava-misy dia tsy mahomby na tsy ampy ny paikady. Mety misy ny ezaka ataon’ny mpitandro ny filaminana, saingy ny zava-misy ny eo tratra, ny eo miforona ihany koa. Tsy any amin’ny fampiasan-kery irery ihany koa anefa ny vahaolana, fa ny politikam-pirenena momba ny ady amin’ny fahantrana mihitsy no mila jerena, ny politikam-pamokarana, ny politikan’ny famoronan’asa sy ny fampanan’asa. Resahina foana fa ny 80% amin’ny Malagasy no tantsaha, fa any ambanivohitra sady tsy mandry fahalemana no tsy misy tohana ara-pamokarana.

Tsy misalasala mitifitra sy manindron’antsy ireo jiolahy
TSY VITAN’NY KISEHOSEHO IVELANY
Tsy vitan’ny seho ivelany io satria ny hita sy tsapa tamin’izao fitondrana izao, dia miainga amin’ny kisehoseho ivelany hatrany: fireharehana ara-pitaovana tahaka ilay hoe: hividy angidimby 10, fiara mihanika tendrombohitra sy mandeha anaty rano, “puce éléctronique” ho an’ny omby,… Ilaina ireny saingy tsy vitan’izay io, tsy vitan’ny kisehoseho ivelany, fa mila paikady voalanjalanja mifandrohy sy mifameno amin’ny programam-panjakana hafa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT