Tsy fandriampahalemana, fanapahan-doha,…

Misy mpitondra efa vaky vava, dia misy basy vava !


  • Zoma 14 Martsa 2025

Mampivarahontsana sy mampiteny moana hatrany ny tsy fandriampahalemana sy ny habibiana

saika manerana ny Nosy. Renim-pianankaviana iray tokony ho 30 taona mahery antsoina hoe : Soazafy na i Endrin'i Kamena no hita faty, novonoin'olona teo anelanelan'ny Kaominin'i Ankarana sy Efatsy, any amin’ny distrikan’i Farafangana. Notapahana ny lohany sy ny tanany ka nentin’ireo olon-dratsy, ka ny ambiny sisa navelan’izy ireo teo. Manamafy sy maneho fa zava-doza tsy roa aman-tsany. Isan’ny nizara ny fisian’io tranga io ny Depiote IRMAR Voafidy tao amin’ny distrikan’i Farafangana Atoa Velomihoatra Painchard. Izany no anisan’ny zava-misy sy mitranga, ary ekena fa tsy vao izao no misy trangana tsy fandriampahalemena. Na izany aza, tena betsaka sy sesilany ireo tranga, ary tsy mitsitsy ireo olon-dratsy ka na mahantra na manan-katao lasibatra avokoa. Vao roatokombolana lasa teo izay no nisy ihany koa ny fanehoan-kevitry ny depiote IRMAR voafidy tany Tsaratanana Atoa Thonny Randriamalala fa hatramin’ny vahoaka mahantra aza misy maka an-keriny. Ny Minisitry ny filaminam-bahoaka raha niatrika ny fanadihadiana mikasika ny zon’olombelona tany Genève ny faran’ny janoary teo, dia naneho ireo trangana tsy fandriampahalemana samihafa, ny herisetra ataon’ny dahalo toy ny fakana an-keriny vehivavy 4 tany Ankazobe, ny famonoana olona,… ka manery ny mpitandro ny filaminana hampiasa fitaovam-piadiana ao anatin’ny fanarahan-dalàna. Dia ireny niaraha-naheno sy nahalala ireny anefa ny fanamaivanana nataon’ingahy Naivo Raholdina depiote IRMAR lany tao amin’ny Boriboriborintany faha-5 eto Antananarivo, fa tsy vao izao no nisy mpanendaka saingy manao fitaovana politika amin’ny tsy fandriampahalemana ny mpanohitra. Tsy finiavana hitsikera sy handrirotra, fa voatery ho mpanohitra avokoa ve ireo mitaintaina sy mitsikera ny fahombiazan’ny Fanjakana amin’ny fametrahana fandriampahalemana ? Marina fa efa talohan’ny andron’i Jesosy no nisy fanapahan-doha ka midika ve tsy mampaninona sy efa mahazatra izany ka azo tsotsorina fotsiny ? Tena mipetraka amin’ny toerana ho olom-boafidy hitondra ny hetahetam-bahoaka ve ny solombavambahoaka sasany sa izay ilay hoe : kapoaka vao vahoaka ? Izany ve tsy fanamaivanana ireo rà latsaka sy aina nafoy noho ny tsy fandriampahalemana izay na Malagasy na vahiny dia betsaka ny mizaka ny ngidiny ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT