Fandriampahalemana

Tsy fandriampahalemana eto Madagasikara Nafana ny resaka teny Tsimbazaza


  • Zoma 10 Novambra 2017

Minisitra telo mirahalahy (fiarovam-pirenena, filaminana anatiny, zandarimariam-pirenena) ary sekretera jeneraly roa (atitany, fitsarana) no indray nifamotoana teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza noho ny fiantsoan’ireo depiote azy ireo (interpellation) avy amin’ny tolo-kevitry ny filohan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana ao aminy, Randrianasolo Jean Nicolas, omaly alakamisy 9 novambra 2017.

 Fihainoana an’ireo fanontaniana napetrak’ireo solombavambahoaka tamin’izy ireo sy famaliana mivantana izany no votoatin’ny fihaonana. Voatery nahemotra hariva be (4 ora) , araka izany, ny famelabelarana an’ilay volavolan-dalàna mikasika ny tetibolam-panjakana 2018 satria naharitra dia naharitra fa efa tamin’io ora io vao tapitra ilay fifanazavana nanodidina ny resaka tsy fandriampahalemana. Tamin’ny ankapobeny dia saika voavalin’ireo minisitra 3 mirahalahy sy ireo SG mirahalahy avokoa ireo fanontaniana napetrak’ireto depiote am-polony maro tamin’izy ireo afa-tsy fanontaniana vitsivitsy ihany izay nilana ny minisitry ny fitsarana sy ny minisitry ny atitany tsy tonga teny an-toerana. “Tsy ampy ny fifampitam-baovao teo amin’ny roa tonta dia ny mpanatanteraka sy izahay mpanao lalàna hatramin’izay mikasika an’ity tsy fandriampahalemana eto amintsika ity, hoy ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas, fa izao vao miravona rehefa nazava tamin-dry zareo minisitra isanisany  ny andraikitra sahaninay eo anivon’ny vaomieran’ny fandriampahalemana tarihako”. “Tokony hampandeferina kosa ny hambom-pon’ny tsirairay, hoy ny Jeneraly Xavier Béni Rasolofonirina minisitry ny fiarovam-pirenena ka hampanjakana ny firalahiana eo aminay mpanatanteraka sy ianareo mpanao lalàna mba hisian’ny fitoniana ka hampanjakana ny tena fampandrosoana marina eto Madagasikara. Hiady hiaraka isika, hoy izy, amin’ity resaka tsy fandriampahalemana ity. Tsy maintsy manova ny rafitra napetraky ny fanjanahantany isika, hoy izy, ka hofenoina mpitandro ny filaminana avokoa any amin’ireo toerana tsy misy izany ary hohatevenina kosa ireo efa misy. Nanombohana izany ny nametrahana ny Bataillon  Inter-Armé any Ihosy ho an’ny faritra Atsimo.

 

Hoy izy ireo :

 

Depiote Razafindravelo Hermann (Fenoarivo Atsinanana)

 

Manankarena Jirofo ny any Fenoarivo Atsinanana saingy ny vahoaka mpamokatra no ilan’ny zandary antsojay noho ny resaka kolikoly. Tena tsy misy mihitsy ny fiarovana ny tantsaha ataon’ny mpitandro ny filaminana eto amintsika fa ireo Patron ihany no voaaron’izy ireo fatratra. Antenaina fa hilamina izany manomboka amin’izao fiaraha-miasa izao”.

 

Depiote Razafindravelo Hermann

 

 

 

Depiote Randrianandraina Théophile Christian (Benenitra)

 

Afa-po aloha aho tamin’ny dinika nifanaovana teo. Ho anay any Benenitra aloha tsy dia misy olana ara-pandriampahalemana loatra fa andrasana kosa ny famahana an’ireo olana mianjady any amin’ny distrika hafa voalazan’ny depioteny teo”.

 

Depiote Randrianandraina Théophile

 

 

Depiote Ravelonanosy  Mamy Tiana Télésphore Gérard (Ankazobe)

 

Afa-po izahay fa tafita any amin’ny mpanatanteraka ny hafatra avy amin’ny vahoaka ary dia hirariana ny fiaraha-miasa bebe kokoa eo amin’ny roa tonta

 

Depiote Ravelonananosy Mamy tiana

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT