Tsy fandriampahalemana eto Antananarivo

Mpanao «cash point» very 8 tapitrisa Ar teny Ambolokandrina


  • Talata 18 Martsa 2025

Toeram-pifanakalozam-bola na «cash point» iray etsy Ambolokandrina

indray no lasibatry ny tsy fandriampahalemana eto Antananarivo renivohitra, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Very 8 tapitrisa Ariary na 40 tapitrisa Iraimbilanja ity «cash point» ity, hoy ny fanazavàna. Azon’ny fakàn-tsary na «caméra de surveillance» ireo olon-dratsy nangalatra ny vola, hoy ny antsoavon’ireo lasibatra tamin’ny tambazotran-tserasera, ary tsy aritr’izy ireo indray, araka izany, ny tsy hizara ny sarin’ireo olona neverin’izy ireo ho nahavanona ny loza tamin’ny tambazotran-tserasera. Valisoa mitentina 1 tapitrisa Ariary moa no nambaran’ireo lasibatra fa ho zarain’izy ireo amin’izay mahita na manam-baovao momba ireto olon-dratsy ireto. Tsiahivina hatrany anefa, etsy ankilan’izay, fa voararan’ny lalàna ny manaparitaka sarin’olona mbola tsy nambaran’ny fitsaràna ho meloka.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT