Tsy fandriampahalemana eto Antananarivo

Miaiky ireo mponina avy any amin’ny faritra


  • Alatsinainy 27 Janoary 2025

Miaiky amin’ny tsy fandriampahalemana eto Antananarivo renivohitra amin’izao fotoana

izao ireo mponina any amin’ny faritra, raha ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpivahiny mandalo eto an-drenivohitra amin’izao fotoana izao. Tsy mba azo hiravadravahana volamena mihitsy aty aminareo aty, hoy ny renim-pianakaviana iray avy any Toliara. Any Mahajanga, na entina am-bozonana aza ny finday avo lenta, tsy misy mikitika, hoy kosa ny raim-pianakaviana iray. Eto Antananarivo anefa, andro atoandro be ireny iaraha-mahita misy fanafihana ambony kodiaran-droa na moto miharo famonoana olona ireny ary anaty tohamboivoy. Ireo mpamily mpanampy anaty fitateram-bahoaka moa dia tsy sasatry ny mampitandry ireo mpandeha rehefa mitohana anatin’ireo faritra mahamay toa an’iny Ambodin’Isotry sy Andravoahangy iny ny fifamoivoizana. Tena mampiaiky, hoy hatrany ireo mpivahiny mandalo eto Antananarivo.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT