Fandriampahalemana

Tsy fandriampahalemana eto an-drenivohitra Olona 378 isa no voasambotra tao anatin’ny iray volana


  • Alakamisy 04 Aogositra 2022

Miisa 378 ireo olona voasambotry ny Polisy teto Antananarivo renivohitra ny 01 ka hatramin'ny 31 jolay lasa teo. Miisa 05 ireo olona fantatra fa nanao halatra miaro herisetra miaraka amin'ny basy ka ny 04 dia maty voatifitra ary 01 kosa

azo sambo-belona. Miisa 19 kosa no voasambotra noho ny resaka vaky trano. Olona miisa 44 no tratra noho ny resaka fanendahana sy sinto-mahery. Ny teo amin'ny halatra tsotra kosa dia olona miisa 72 no voasambotra raha 47 kosa no tratra ambodiomby nangalatra. Miisa 08 ireo tratra saika hanatanteraka halatra izay voasoroky ny Polisy. Miisa 02 no tratra amin'ny resaka hala-botry. Olona miisa 08 no tratra noho ny resaka halatra moto. Miisa 03 kosa ireo tratra nangalatra kojakojana fiara. Miisa 17 ireo mpifoka sy mpivarotra rongony tratra. Olona miisa 10 no voasambotra noho ny resaka fanimbana zavatr'olona. Miisa 14 ireo voasambotra noho ny resaka fikasian-tanana sy fandratrana olona, 01 kosa no voatazona noho ny fanompana olona. Miisa 10 ireo nosamborina noho ny fanaovana fihetsika mamoafady eny an-dalambe. Miisa 92 ireo nanaovana fandihadiana fototra ka tsy maintsy notazomina tao amin’ny « violon » rehefa tsy nahitana kara-panondro sy taratasy famantarana teny aminy. Miisa 23 ireo mamo toaka teny an-dalambe ka tsy maintsy notazomina teny amin'ny « violon ». Ary miisa 03 ireo mpangarom-paosy.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT