Fandriampahalemana

Tsy fandriampahalemana eny Avaradrano Namory ireo tompon’andraikitra ny depiote


  • Alatsinainy 23 Septambra 2019

Nirongatra ary niha nahazo vahana tato ho ato ny tsy fandriampahalemana tao amin’ny distrikan’Avaradrano.

 

 

 

 

Ny tao amin’ny kaominina Ambohitrabiby, Talatavolonondry, Sabotsy Namehana, dia nanao ny nataony ireo jiolahy ary nitety trano mihitsy izy ireo na amin’ny andro atoandro aza. Naharay fitarainana tamin’ireo olona voatafika ny mpitandro ny filaminana sy ny solombavambahoaka. Nisy ny hetsika nataon’ireo zandary, ka nisy voasambotra ireo jiolahy nanao ny fanafihana. Nandray ny andraikiny manoloana izany koa ny depiote voafidy, ka namory ireo tompon’andraikitry ny fitandroana filaminana izy, ny faran’ny  herinandro lasa teo, nentina nandinihana ny olana. Tapaka fa homena fitaovana ireo mpitandro ny filaminana ary ampiana ny isan’ny olombelona fa tsy ampy, mba handry fahalemana ny ao amin’ity distrika ity, hoy ny fanazavana. Marihina fa anisan’ny faritra mena amin’ny asan-jiolahy ny distrikan’Avaradrano ka niaina tao anatin’ny tahotra sy ny tebiteby hatrany ny mponina teny an-toerana.

 

Sitraka r.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT