Fandriampahalemana

Tsy fandriampahalemana Efa misy mpamono olona miandry fotsiny eny amin’ny RN4


  • Alakamisy 16 Martsa 2023

Miharatsy hatrany ny fandriampahalemana eto amintsika. Miseho amin’ny endrika maro lafy izany ka anisan’ny tena atahorana ny vono olona.

Ho an’iny lalam-pirenena fahaefatra miazo an’i Mahajanga iny dia fantatra fa misy toerana efa misy mpamono olona miandry fotsiny. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina Renim-pianakaviana saika lasibatr’izany dia eo alohan’Ambondromamy no misy io toerana io. Nisy olana tampoka ny fiara nentin’izy ireo ka nijanona ilay vadiny raha ny fitantarany. Mba nivoaka ihany koa izy nandritra izany ka sendra olona iray tsara fanahy. Nambaran’ity farany fa tokony hitandrina izy mivady, indrindra raha mitady rano hanapohana fiara. Eo amin’io faritra misy rano io mantsy no mipetrapetraka miandry tataka ireo mpamono olona koa raha vantany vao misy olona iray mandeha midina maka rano dia torahin’izy ireo vato avy aty ambony, izay vatobe tena mahafaty mihitsy hoy hatrany ity Renim-pianakaviana. Natahotra mafy ity farany nandritra izany ka nampitandrina ilay vadiny mafy mba tsy hihetsika na dia nila rano aza. Niezaka namonjy tanana kely izahay hoy izy vao nitady rano indray. Fotoana fohy taorian’izay anefa hoy izy dia nahare feo izahay fa nisy lehilahy voatora-bato teo amin’io toerana io saingy tsy maty. Miantso ireo mpampiasa lalana mandeha any amin’iny lalam-pirenena fahaefatra iny araka izany izy ireo mba samy ho mailo.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT