Fandriampahalemana

Tsy fandriampahalemana ao Ikongo « Fandraisana andraikitry ny fiarahamonina ihany no vahaolana ! »


  • Alakamisy 08 Aogositra 2019

Ny fiakarana sy fikirakiran’ny olona ny Lavanilina no tena itako miteraka tsy fandriampahalemana ao amin’ny distrikan’Ikongo, hoy ny depiote voafidy tao an-toerana sady filoha lefitra misahana an’i Fianarantsoa eo anivon’ny antenimieram-pirenena, Brunel Razafitsiandraofa.

 

 

 

Lafo vidy ny vokatra ka miteraka fankam-panahy ho an’olona maro na tomponandraiki-panjakana io na olon-tsotra fa indrindra ny mpandraharaha. Tao anatin’ny 5 taona namokarana lavanila dia tsy nisitraka ny vokatr’izany mihitsy ireo tantsaha satria tsy mety voafehy ny lafiny fandriampahalemana ao anatin’ilay fihariana. Sosonkevitra nentiko, hoy izy, dia ny fametrahana dina ao anatin’ilay faritra saingy voasembatsembana foana io ka tsy mety tafapetraka. Vao irosoana indray io izao satria raha ny mpitandro filaminana sy ny tobim-pitandroana izany ao amin’ilay faritra dia tsy hahasahana azy mihitsy. Tsy maintsy io fandraisana andraikitry ny fiarahamonina io ihany no vahaolana kanefa dia maro ny marisarisa hanao azy satria mahita tombony ao anatin’ny fikirakirana sy fiseraserana ireo vokatra. Mbola tsy matoy ny vokatra dia efa misy mpandraharaha miditra mandraviravy vola dia mahita an’iny ilay tantsaha dia matahotra sy mikoropaka dia mioty. Tonga koa avy any ny mpitandro filaminana dia manao ramatahora. Tonga koa ny fiakaram-bokatra ka mbola misy tantsaha mahavory vokatra maro dia misy andian-jiolahy mitondra fitaovam-piadiana mahery vaika mangarona ireo vokatra any an-tokantrano. Kaominin’Ambanivohitry Tolongoina sy Maromiandra izao dia maro ny tantsaha voatafika eny an-tsaha sy voaroba ao an-trano amin’ny basy marovava. Ny mpitandro filaminana lavitra satria eo an-tampon-tanànan’Ikongo ny tobim-paritra na “chef lieu de district” dia 45 km miala an’i Tolongoina indray vao misy tobin’ny zandary iray. 48 km miala eo indray avy eo vao misy, hoy hatrany ity depiote ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT