Fandriampahalemana

Tsy fandriampahalemana ao Antsalova Mpanolotsain’ny praiminisitra no ahiana ho ao ambadika


  • Zoma 16 Febroary 2018

Mitohy hatrany ny fitakian’ny vahoakan’Antsalova, faritr’i Melaky, ny famerenana ny adjida Patrice izay nikaomandy ny zandary niady tamin’ny tsy fandriampahalemana any an-toerana ary nafindra toerana tamin’ny volana oktobra, raha ny fanazavan’ny solombavambahoaka avy any an-toerana. 3 volana monja,

 

 raha ny fanazavana, no nitarihan’ity adjida ity tafika tany an-toerana dia niisa 80 teo ireo dahalo voasambotra ary omby miisa 320 no tafaverina tamin’ny tompony. 3 herinandro monja taorian’ny nanalana azy anefa dia efa nisy trangana tsy fandriampahalemana teo amin’ny 26 isa teo sahady ary 300 izao ireo omby very. Olona miisa 4 ihany koa no maty hatramin’ny sabotsy teo. Manahy ireo vahoaka, raha ny fanazavana, fa misy olona ambony mahazo tombony amin’ny tsy fandriampahalemana eto amintsika ary antony naha mafy ny hetsika fitakiana ny fiverenan’ity adjida ity tany an-toerana ny 2 sy 3 janoary teo tany an-toerana. Efa heno, hoy hatrany ny depiote Maurice Ramarolahy, fa atahorana hikitikitika mpanolotsaina 1 ao Mahazoarivo ny fitoriana iray napetraka tamin’ny andron’ity adjida ity ka antony namindrana azy haingana io. Efa fantatra ihany koa fa alefa mankany amin’ny distrikan’i Miandrivazo fa tsy misy miakandrefana ireo omby halatra ireo, hoy izy. Na ireo tantsaha miasa tanimbary aza ankehitriny mijaly noho ny tsy fisiana omby, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT