Fandriampahalemana

Tsy fandriampahalemana any Betroka Miantso vonjy ny Andrimaso


  • Alakamisy 14 Septambra 2017

Mirongatra isan’andro tsy fisian’ny fandriampahalemana any Betroka, hoy ny filohan’ny Andrimaso any an-toerana, Razafindrazanaka Adjad Ridji, nitatitra ny zava-misy any amin’ity distrika ity ka mahatonga ny olona tsy matoky ny mpitondra ankehitriny.

 

Mandry tsy lavoloha ny mponina satria mampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika ireo dahalo sady mamono olona sy mandrava tanàna ary mamaky trano. Nitarainan’Atoa Adjad Ridji koa ny fisian’ny dahalo ambony latabatra izay manembantsembana ny asan’ny mpitandro ny filaminana mandray ny andraikiny. Mila tsy hatoky intsony ny Fitsarana ny mponina any an-toerana, hoy izy, satria ny olona tokony higadra dia miriaria eny an-tanàna fa ireo very omby indray no hamoahana didy alefa any am-ponja. Tsy zakan’ny mponina ny hofan-jiro izay tena midangana any Betroka ary tsy lefitr’izy ireo koa ny nanesorana ny Ben’ny tanànan’ny kaominin’i Tsaraitso. Miantso ny filoham-pirenena Malagasy sy ny praiministra ny Andrimaso mba handray andraikitra fa tsy hihaino feon-dakolosy tokana.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT