TSY FANDRIAMPAHALEMANA ANY BEROROHA

Nampihavanina ireo mpirahalahy fo fototry ny olana


  • Alakamisy 18 Aprily 2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

distrikan’i Beroroha ny fampihavanana teo amin'Atoa Tsimagniry sy Mana izay mpiara-monina ao an-toerana. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nifampitondra ohatra ny mpifahavalo mihitsy izy roalahy ireto noho ny tsy fifankazahoana nisy teo aminy. Maro ny zavatra potika vokatry ny ady nisy tamin'izy mirahalahy toy ny fanafihana izay miteraka fahafatesana, faharatrana, mifangalatra omby ary efa tsy mifandevi-maty intsony aza no sady nihafara taminy fisaraham-pasana. Tsy niandry ela intsony ny Kaomandin'ny Kompania ny Zandarimaria Ankazoabo fa naniraka ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny nijery akaiky sy nandamina ny disadisa.Niravona soa aman-tsara izany ka h tamin'ny fitangenana tao ankazomanga. Samy nitsofina rano ny andaniny sy ny ankilany ary nampitraofina viarara fa tsy hifanao ratsy intsony. Nanome toky teo imason’ny iray tanàna izy ireo fa handray toy ny tsy nisy ny zavatra izay niseho nandritra ny 5 taona lasa izay.Nanome omby iray ny zandary natao nofokena mitam-pihavanana izy. Nisaotra ny ezaka vitan’ny Zandarimaria koa ny vahoaka tao amin’ny distrikan’i Beroroa, indrindra moa fa ny mponina tao Ipingo fa handry fahalemana amin'izay izy ireo.
Pati
Legende : Nampihavanina tahaka izao izy roalahy !

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT