Fandriampahalemana

Tsy fandriampahalemana Ahiana hiditra an-tanan-dehibe atsy ho atsy


  • Alatsinainy 11 Oktobra 2021

Tamin'ny 7 ora 30 minitra hariva ny dahalo no niditra an-tanàna tany amin’ny fokontany Ankafotra, kaominina ambanivohitra Manalalondo

.Omby miisa 12 indray no very afak’omaly ny sabotsy teo. Raikitra ny sakoroka vokatry ny fanenjehana nataon’ny fokonolona ka velona ny torabato. Tsy nifandanja anefa ny hery ka resy ireo fokonolona ary omby iray ihany no azon'ny fokonolona miampy omby telo novonoin'ireo dahalo. Omby 8 kosa no lasan'ireo dahalo. Efa tena henjana ny toe-draharaha, hoy ny mponina any an-toerana ary manomboka sahy miditra amin’ireo toerana tsy mbola falehany taloha ny dahalo; tsy miandry hoe omby an-jatony isa ihany koa izy ireo vao tonga mandroba fa na omby 5 aza no misy ao an-tanàna dia efa tonga ny dahalo.Teo aloha teo dia efa nampahafantatra ny fisian’ny dahalo mangalatr’omby no sady mandroba fananan’olona ihany koa ny depioten’Ambohidratrimo, izay ato anatin’ny faritra Analamanga ary tsy lavitra an’Antananarivo renivohitra.Mampanahy ny zava-misy satria ahiana , atsy ho atsy fa mety tena hiakatra an-tanan-dehibe amin’izay ny dahalo.Iza moa ny mahalala raha efa andrana ny amin’izany ilay nitranga tamin’ny herinandro ka nahitana mpangalatra omby teny Andavamamba, izany hoe eto an-drenivohitra.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT