Fandriampahalemana

Tsy fandriampahalemana 1781 maty vokatry ny halatr’omby nandritra ny 5 taona


  • Zoma 15 Oktobra 2021

Ny tambatra isa ankapobeny 1 781 ny olona namoy ny ainy vokatry ny halatra omby teto Madagasikara nandritra ny 5 taona (2016-2021). Nahatratra 43 tato anatin'ny dimy taona (2016-2021) ireo zandary namoy ny ainy am-perinasa.

 Misy dahalo miampy ireo niharan'ny fanafihana ary ireo zandary, araky ny nambaran'ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG) Gellé Serge. Ny akany eo Arivonimamo no mandray ireo zaza kamboty noho izany. Anisany mampiodina ny akany miahy ny zanak'ireo zandary lavo am-perinasa ity ny fandraisana anjara ataon'ireo zandary tsirairay manomboka 1 000 ariary hatramin'ny 3 500 ariary isam-bolana, hoy ny fanazavana. 100% ny vokatra ho an'ny fanadinam-panjakana natrehin'ireo ankizy beazina ao amin'ny akany. Roa amby folo (12) amin'izy ireo tafiditra any amin'ny sekoly fanofanana zandary ary ny iray (01) miofana ho manam-boninahitra any amin'ny sekoly miaramilam-pirenena (SEMIPI) Antsirabe. Valo amby folo (18) ireo zandary efa miasa, hoy ny tatitra navoakan’ny zandarimariam-pirenena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT