Tsiroanomandidy

Raikitra ihany koa ny fakana an-keriny zaza varira


  • Talata 23 Janoary 2024

Tsy mijanona any amin’ny faritra Atsimo intsony fa efa tonga any amin’ny

Faritra Bongolava ihany koa amin’izao ny fakana an-keriny zaza varira. Zazalahy kely varitra 10 taona no nisy naka an-keriny Fokontany sy kaominina ambanivohitr’i Tsinjoarivo Imanga ihany,Distrikan'i Tsiroanomandidy, Faritra bongolava ny sasakalin’ny Alahady 21 Janoary Janoary teo tokony ho tamin’ny 00 ora sy 30 minitra nifoha omaly Alatsinainy 22 Janoary. I Vazaha no solon' anarana nampitondraina io zaza io raha araka ny fampitam-baovao voaray avy amin'ny Fikambanana Albinos Madagascar. Efa nandray ny andraikiny moa ireo tompon'andraikitra voakasik’izany any an-toerana mba hahafahana mamonjy ity zaza ity ary efa mifandray tsy tapaka amin'izy ireo ny avy ao amin'ny fikambanana Albinos. Hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay moa dia tsy mbola hita ilay zaza koa andrasana izay mety ho tohiny.
Pati
Legende :Miady mafy ho an’ny zaza varira tahaka ireto amin’ny sary ireto ny Fikambanana Albinos Madagascar !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT