Fandriampahalemana

Tsiroanomandidy Naolana ilay tovovavy, nodorana ny tranony avy eo


  • Zoma 28 Aogositra 2020

Zazavavy kely mpianatry ny ny CEG ao Antaniditra, kaominina ambanivohitr’Ambatolampy , Distrikan’i Tsiroanomandidy no naolan'ny tovolahy iray izay zanaky ny andrimasom-pokonolona ao amin'io tanana io ihany raha ny fantatra.

 

 

Vao 14 taona ity zaza ity ary bevohoka mihitsy. Rehefa noterena moa ity farany dia niteny ihany ka izay vao fantatra io zazalahy io sy ny Ray aman-dReniny. Nangataka fampihavanana ireto farany taorian’izany ka nanaiky ilay ray aman-drenin'ilay tovovavy. Nampiseho toetra ratsy anefa ilay tovolahy taorian’izany ka tsy navelan’ireo Ray aman-dReniny niaraka tamin’ity zazalahy ity intsony ny zanany. Namoaka vava mahery anefa itsy voalohany toy ny hoe " ho hitanareo eo ny hanaovako anareo".. . May tokoa ny tranon’ilay zazavavy kely roa andro taorian’izay ka ilay tovolahy no nahiana ho nanao izany. Nahare ity tovolahy ity nihaodiaody nanodidina ny tranon’izy ireo mantsy ny Ray aman-dRenin’ilay tovovavy talohan’ny nitrangan’ny loza. Nametraka fitoriana ireo niaram-boina vokatr’izany. Tsy nijanona teo anefa ny raharaha hoy ny vaovao fa mbola namoaka vava indray ny rain' ilay tovolahy fa tsy matahotra na inona na inona izy ireo fa manana olobe mpiaro azy.Niakatra fitsarana omaly ity raharaha ity. Na izany aza anefa dia mahay mafy ny amin’ny mety ho tohiny ny Ray aman-dRenin’ilay zazavavy izay mahatsapa tena ho toy ny atody miady amam-bato ihany.

 

Nangonin’i Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT