TSIROANOMANDIDY

Moto halatra iray tratra, niaraka tamin’ny fonosan-drongony 20 isa


  • Alakamisy 29 Aogositra 2024

Moto halatra iray niaraka tamin’ny fonosan-drongony 20 isa no indray sarona tany amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava.

Nandritra ny fisafoana nataon'ny Polisy miasa any an-toerana afak’omaly Talata 27 aogositra no nahatrarana azy ireo. Lehilahy iray nitondra kitapo lehibe no nosavaina ka nahatratrarana "sachet" misy rongony roapolo fonosona izay saika haparitaka ao Tsiroanimandidy.Lehilahy iray hafa ihany koa no tratra teny akaikin'ny biraon'ny Prefektioran'i Tsiroanimandidy nanosika moto izay nangalarina tandron'io andro io ihany tokony tamin'ny 11 ora alina. Nojerena ny taratasy sy ny mombamomba ilay lehilahy fa tsy mifandraika amin'ny tena tompon'ny moto. Nogiazana ilay moto ary noentina eny amin'ny biraon'ny Polisy miandry izay tena tompony.
Pati
Legende : Ireo roalahy indray noraofin’ny mpitandro ny filaminana tao Tsiroanomandidy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT