Fandriampahalemana

Tsiroanomandidy Lehilahy 2 nampiahiahy tratra nitondra basy sy ody gasy


  • Talata 15 Septambra 2020

Lehilahy miisa 02 no voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny Distrikan’i Tsiroanomandidy afak’omaly alahady 13 septambra nandritra ny « Barrage de sécurité »

 

 

izay nataony tao Ambohitsoa, kaominina ambonivohitr’i Tsiroanomandidy. Tokony ho tamin’ny 05 ora sasany hariva no nosakanana ny lehilahy 24 taona sy 36 taona rehefa nampiahiahy ny Polisy ny fihetsiny. Tamin’ny fisavàna azy ary dia basy vita gasy iray sy ody gasy maro no tratra teny amin’izy roalahy ireto. Nandritra ny fanadihadiana natao azy ireo dia nilaza ho mpimasy sy mpamboly ny asan’izy roalahy. Mbola mitohy kosa ny famotorana mahakasika ilay basy sy ny saika hampiasana azy. Vokatry ny fisavana nataon’ny Polisy hatrany moa dia olona miisa 96 no nosavaina. Kamiao lehibe miisa 19 ihany koa no nojerena ny antontan-taratsiny sy ny tao anatiny raha miisa 08 ireo fiara kely.Miisa 22 kosa ny taxi brousse raha 13 isa ny moto nosavaina. Ny 02 tamin’ireto farany no voasazy fa tsy nanao aro loha. Nahatratra 10 kosa ireo posiposy nomena fampitandremana raha 79 ireo olona nosavaina karapanondro.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT