Tsiningia Boriziny

2 lahy matin’ny fitsaram-bahoaka


  • Alatsinainy 08 Jolay 2024

Lehilahy miisa 2 no matin'ny fitsaram-bahoaka ary nodorana lasa arina ny alakamisy

teo tany amin'ny kaominin'i Tsiningia, distrikan'i Boriziny, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Niantomboka tany amina aditany ny tantara, hoy ny fanazavana. Nisy olona ao Ambarimanjevo niady tany ary voalaza fa nigadra mihitsy ny iray. Rehefa izay, nanakarama lehilahy miisa 3 izy hamaly faty an'ilay miady aminy, hoy ny loharanom-baovao. Ny 17 jona dia nisy nahita tonga teo an-tanàna ireo 3 lahy hamono ilay olona izay renim-pianakaviana. Nokapain'izy ireo tamin'ny famaky ary matiny. Nandositra izy 3 lahy taorian'izay. Izy ireo moa tsy manana fonenana mazava fa mifindrafindra mamboly katsaka any anaty ala. Ny alakamisy teo, mbola nandroba olona nitondra "radio carte", na ireny fihainoana hira fitondra mandehandeha ireny, indray izy ireo. Tezitra ny fokonolona ka nisambotra. Tratra ny 2, raha tafatsoaka ny 1. Nodoran'ny olona teny akaikin'ny CEG ireo voasambotra. Efa may be sy tsy nisy aina izy 2 lahy tamin'ny fotoana nahatongavan'ny polisy sy zandary, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Maty nodoran’ny olona izy roalahy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

  • ANOSIBE
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty voatifitra teo

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

Hijery ny tohiny
FTT