TSIMADILO ARIVONIMAMO

Fasana iray vaky, razana 80 indray nanjavona


  • Alatsinainy 02 Oktobra 2023

Mihamahazo vahana tato ho ato ny halatra taolam-paty amin’ny alalan’ny vaky fasana. Ireo kaominina ambanivohitra

no tena lasibatra sy mahita faisana amin’izany toy ny niainan’ireo mponina tao amin’ny Fokontany Fiombonana, kaominina ambanivohitra Talata Tsimadilo, distrikan'Arivonimamo, ny 23 Septambra lasa teo. Fasana iray no nisy namaky tamin’io andro io ka ankizy nandeha niady mangahazo maraina no nahita izany efa nidanadana, saingy tsy nety nitantara tamin'ny mponina tany an-tanàna raha tsy ny andron’ny Alarobia 27 Septambra lasa teo. Efa foana tanteraka anefa ilay fasana na izany aza tsy nahita na inona na inona intsony. Ny lamba sy vovom-paty sisa no nameno ny lalan-tsara tao amin'ilay fasana raha voalaza kosa fa nahatratra 80 isa ny razana tao anatiny. Alahelo sy ranomaso moa ny an’ireo tompom-pasana tsy nahita intsony ny taolam-balon’ireo havany tao am-pasana izay marihina fa na karan-doha aza tsy nisy tavela. Efa tapitra lasa daholo ihany koa ny taolana.
Pati
Legende : Tahaka izao sisa no hita tao am-pasana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT