Tsiafahy: vehivavy naolana sy novonoina

"Tsy misy hidiran'ny fonja sy ny gadra velively!"


  • Talata 26 Aogositra 2025

Vehivavy iray no hita faty, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

no sady naolana omaly maraina tokony ho tamin’ny 8 ora sasany teny Ambohimiadana Nord, kaominina Tsiafahy. Ny sabotsy teo izy io no voalaza fa nanomboka tsy hita. "Lehilahy gadra mahazo fahazoan-dalana manao raharaha ivelan’ny fonja no hitan’ny fokonolona niaraka taminy farany ary teny amin’ny lalana nahitan’ny fokonolona nandehanan’izy ireo no nahitana ny razana", hoy ny tati-baovao sy resaka niely tamin'ny tambajotran-tserasera. Ny loharanom-baovao teo anivon'ny fonjan'i Tsiafahy kosa nandiso marin-drano ny filazana fa gadra nahazo fahazoan-dalana hivoaka no nahavanon-doza. "Tsy marina ny filazana fa voafonja iray tao amin'ny Fonjaben'ny Tsiafahy no nahavanon-doza teny Tsiafahy", hoy ny avy ao amin'ny Fonjaben'i Tsiafahy. Namafisina fa anaty Fonja io voafonja tenenina io ary tsy nivoaka ny Fonja velively. "Ny olona manao ''corvée'' ato amin'ny Fonjaben'i Tsiafahy, tsy toy ny any amin'ny fonja hafa! Tsy afaka mivoaka izany fa ato anaty valaben'ny Fonja ato ihany. Mbola 30 min miala eo no nisy ilay tranga, izany hoe lavitra ny Fonja.", hoy ny loharanom-baovao avy ao Tsiafahy. Nomarihina fa olona iray manana olana amin'ny tompon'andraikitry ny fananana na "patrimoine" an'ny Fonjaben'i Tsiafahy no heverina fa ao ambadiky ny fanasoketana ny fonja, ka mandoto sy manaraotra amin'ny zavatra hafa. "Mibodo ny tanin'ny fonja, nesorina tamin'ny tany dia izao lasa manasoketa sy manimba ny tompon'andraikitra ny Fonjaben'i Tsiafahy izao. Miantso tompon'andraikitra mahefa handray fepetra amin'ny olona manely tsaho toy izao fa manimba olona.",hoy ny mpandraharahan'ny fonja. Andrasana ny tohiny...
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT