Tsiafahy

Iza no namoaka an'i Roger Volcan?


  • Zoma 12 Janoary 2024

Ao anatin’ny fotoana hanindrahindran’ny Filoha vao voafidy ny ady amin'ny kolikoly

isan-tsehatra mihitsy no miseho ny tranga mampiahiahy. Anisan’ny miteraka ahiahy ny tontolon’ny fonja satria nanaitra ny maro ny fahitan’ny olona an’i Roger Volcan tamin'ny faramparan'ny herinandro lasa iny, araka ny vaovao azo. Io Roger Volcn io, izay notazonina vonjimaika (MD) eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy tamin’ny faran’ny volana jolay 2023. Nosamborina tamin’ny asan-jiolahy mahery vaika, fanafihana mitam-piadiana mpandraharaha iray momba ny volamena,... ka voasokajy ho ezaka lehibe ny nahatratraran'ny ny Polisim-pirenenana azy tamin ny 27 jolay 2023, raha ny fanamarihana. Nadoboky ny Fitsarana avy hatrany teny Tsiafahy izy noho ny vesatry ny fiampangana azy, taorian’ny fandalovany teo amin’ny Fampanoavana, ary eo am-piandrasana ny fitsarany. Voalazan’ny loharanom-baovao anefa fa tsy eny am-ponja intsony izy izay midika fa nomena fahafahana ? Raha ny fantatra sy ny fanamarihana mandeha anefa dia tsy nanaiky nanome azy fahafahana vonjimaika (liberté provisoire) mihitsy ny Fampanoavana na dia maro ny fangatahany. Inona izany no nitranga tao ? Ny eo anivon’ny fandraharahana ny fonja ve no namotsotra azy ? Tamin'ny fomba ahoana no nahafahany niala tao ? Sa kosa nisy irony lazaina hoe iantohan’ny manam-pahefana ambony na « mis à la disposition » irony i Roger Volcan izay ahiana ho jiolahy atidohan’ny heloka be vava ary tsy anisan’ireo misitraka fampihenan-tsazy noho ny vesatra hananenjehana azy sady mbola tsy nahazo didy raikitra rahateo? Na nisy ary izany fangatahana « mis à la disposition », tokony ho fantatra hoe iza no mpitondra ambony nanao izany ? Iza no sahy hiahy olona vesarin’ny fiampangana asan-jiolahy ? Mazava ihany koa ny voalazan’ny didim-panjakana 2006-015 momba ny fandaminanana ny asan’ny fandraharahana ny fonja ao amin’ny andininy faha 109, hoe tsy maintsy ampandrenesina ny mpitsara tompon’ny dosie raha misy asa hampanaovina ny voatana am-ponja vonjimaika, raha ny fanamarihana. Ny andininy faha-110 amin’io lalàna io ihany koa dia manamafy fa ny asa atao dia tsy ho an’ny olon’ny fitsarana na olon-tsotra. Mampiahiahy be sy mamofompofona kolikoly ity fahafahan’i Roger Volcan nivoaka tao Tsiafahy mandra-piandry ny fitsarany ity. Misy ny mametra-panontaniana hoe : manao ahoana ny mety ho fitandroana ny ain’ireo efa lasibatra eo anatrehan’ny tranga toy izao ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT