Fandriampahalemana

Tsenan’Anosibe Avy any amin’ny « plafond » no miditra ireo mpangalatra


  • Alakamisy 19 Janoary 2023

Efa tsy azo hatao intsony ny mametraka vola ao an-tsena amin’ny alina amin’izao ao amin’ny tsenan’Anosibe.

Ankoatra ny haintrano ahiana hitranga mantsy dia efa avy any ambony plafond ihany koa amin’izao no miditra ireo mpangalatra. Mpivarotra maro no nahazoana fitarainana fa tapitra manjavona ny vola apetrak’izy ireo ao an-tsena amin’ny alina, indrindra fa ireo hasisika any ambony plafond. Nataon’ny mpiandry tsena araka izany ny vela-pandrika ka tovolahy iray no tratra niditra avy any ambony plafond ny Talata alina teo. Mbola tratra teny aminy nandritra izany ihany koa ny fitaovana entiny mandidy ny plafond. Raha araka ny fantatra moa dia efa fanaon’ity tovolahy ity ny tahaka izao. Mitily ireo mpivarotra ny asa hataony amin’ny andro ary mametraka paikady avy hatrany mikasika ireo tsena izay hoteteziny raha vantany vao hariva ny andro.
Nangonin’i Pati
(Sary nindramina)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT