TSENAN’ANDRAVOAHANGY

Jiolahy saika hanafika lavon’ny balan’ny polisy


  • Alarobia 14 Febroary 2024

Jiolahy iray indray no maty voatifitry ny Polisy ao amin'ny CSP3

raha nikasa hanafika mpivarotra mpamongady iray tao amin'ny tsenan'Andravoahangy afak’omaly Alatsinainy 12 Febroary .Telo lahy nirongo basy sy antsy izy ireo no niaraka ary nikasa hanao ny asa ratsiny tamin’io Alatsinainy atoandro io. Fotoana fohy monja taorian’izany anefa dia efa tonga teny an-toerana ny Polisy.Raikitra ny fifanenjehana ka jiolahy iray vao 21 taona no voatifitra ary namoy ny ainy raha tafaporitsaka kosa ny roa ambiny. Mbola mitohy ny fikarohana ireto farany hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Tsiahivina moa fa anisan’ny faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana ny eny Andravoahangy sy Besarety eny amin’izao ka tokony samy ho mailo ny rehetra.
Pati
Legende : Ity ilay jiolahy lavon’ny balan’ny polisy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT