Fandriampahalemana

Tsenan'Anosibe Mpitaon'entana nanodina vary 1gony sy nangalatra sarety


  • Zoma 22 Jolay 2022

Lehilahy miisa roa no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP5 Mahamasina teny amin’ny tsenan’Anosibe ny 20 jolay teo.

Tokony ho tamin’ny 01 ora tolakandro no voasambotra izy, lehilahy manodidina ny 25 taona, rehefa tratra teny aminy ny sarety taritin-tanana iray izay fantatra fa very tamin'ny Alahady teo. Nanomboka ny fikarohana avy hatrany ny Polisy rehefa nametraka fitoriana mahakasika io fahaverezana sarety io ny tompony. Tamin’io afak'omaly alarobia io araka izany no hita tao amin’ny tsenan’Anosibe ilay sarety ary lehilahy iray mpitaon’entana ao ihany no naka ilay sarety. Tokony ho tamin’ny 04 ora tolakandro kosa no voasambotra ny lehilahy faharoa, 33 taona. Mpitaona entana ihany koa ity lehilahy ity. Tamin’io fotoana io dia vary iray gony, izay nasaina notaominy no nentiny naviliny lalana ka nafeniny. Manoloana izany fahaverezan’entana izany dia niantso Polisy ilay tompony. Nokarohana avy hatrany ilay lehilahy ka hita afaka fotoana fohy. Izy ihany avy eo no nanondro ny toerana nanafenany ilay vary 01 gony. Samy nentina nanaovana fanadihadiana eo anivon’ny CSP5 Mahamasina ireto roalahy voasambotra ireto.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT