TSARATANANA IFANADIANA

Taolam-paty 3 gony tratra tany anaty ala


  • Alakamisy 29 Aogositra 2024

Taolam-paty 3 gonibe izao no nisy nahatsikaritra tao anaty ala, tany Sandrasaty kaominina ambanivohitra

Tsaratanana, distrikan’Ifanadiana ny faran’ny herinandro teo. Nampandre ny miaramila mpanao fisafoana tao an-toerana avy hatrany ireo mpandalo raha vao nahita izany. Rehefa nosavaina ireo gony ireo dia taolan-dava 145 isa sy taolam-pohy 86 isa no hita tao anatiny. Natolotra ny zandary any an-toerana ireo taolam-paty ireo, taorian'ny fizahana nataon’ny tompon’andraikitry ny kaominina sy ny hopitaly. Efa misokatra ny fanadihadiana momba ireo taolana ireo. Ahian’ny mponina ho taolam-paty avy nalaina tany amin’ny toeran-kafa ireo ary saika hisy haka tao Ifanadiana. Mety tsy nety anefa ny tanana ka nariany ireo taolana ireo. Na izany aza mbola tombatombana ihany izany fa ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana no tena hanamarina izany.

Pati

Legende : Ireo taolam-paty tao anaty gony nosavain’ny miaramila !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT