Fandriampahalemana

Tsaralalana Mpanakalo devizy nisy nitifitra


  • Alakamisy 11 Jolay 2019

Nitrangana asa fanafihana tao Tsaralalana akaikin’ny sekoly ENMG omaly alarobia 10 jona atoandro tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany. Mpivady avy nanakalo vola vahiny (devise) tao amina banky iray teny an-toerana no nisy nanafika.

 

 

 

 

Voatifitra ka naratra mafy ilay vehivavy, raha araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy. Olona nandeha môtô scooter no voalaza fa nitifitra azy tamin’ny basy poleta  ary tsy nisaron-tava. Nentina haingana teny amin’ny hopitaly HJRA Anosy izy. Hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay moa dia mbola eo am-pikarakarana azy ireo dokotera ao amin’ny hopitaly HJRA koa andrasana ny mety ho tohiny.Voatoton’ny vodi-basy kosa ilay rangahy vadiny ary voalaza fa nisy mpandalo iray hafa ihany koa voatifitra. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana kosa ny fikarohana ireo nahavanon-doza. Voalaza moa fa lasan’ireo jiolahy ny vola mitentina 100 tapitrisa ariary

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT