Fandriampahalemana

TSARAHONENANA ITAOSY Jiolahy sarona namaky trano tamin’ny 06 ora hariva


  • Zoma 12 Aprily 2024

Jiolahy iray 25 taona no nosamborin'ny polisy tao amina tokantrano iray teny Tsarahonenana Itaosy ny 09 aprily teo tokony ho tamin'ny 06 ora hariva rehefa nikasa hamaky trano.

 Voatery nanapoaka basy ny Polisy miasa ao amin'ny Kaomisarian’ Itaosy namoahana ity jiolahy ity tao amin'ny fiereny. Raha tsiahivina kely ny tantara dia gaga ilay tompo-trano raha nahita ny tranony voakorontana tanteraka rehefa avy niasa. Niantso ny Polisy avy hatrany ity farany ka tonga ara-potoana ireto farany. Rehefa niditra ny trano ny polisy dia hita tokoa fa mbola vao tsy ela no nisy nanakorontanana ilay trano ary noahiana fa mbola tao anatin'ilay trano ny mpanao ratsy. Rehefa natao ny fisavana dia heno fa niafina tao amin'ny elanelan'ny tafo sy ny "plafond" ny anaolahy. Nanao ny fomba rehetra hampidinana ny mpamaky trano avy ao ambony "plafond" ny Polisy fa nandà hatrany ity farany, hany ka tsy maintsy nanapoaka basy ireto farany mba hampidinana azy tao. Mbola nitondra fitaovam-pamakiana trano toy ny "bar pince" ity jiolahy ity ary efa maro no entana voakorontana. Tsy nahatondra na inona na inona kosa anefa izy noho ny fanakanana azy teo am-panatanterahana izany asa ratsy izany. Noentina avy hatrany teny amin'ny biraon'ny Polisy Itaosy moa izy nanaovana fanadihadiana ary fantatra tamin'izany fa mponin’ Ambodifasika eny Itaosy ihany izy. Hiakatra fitsarana anio Zoma moa ny anaolahy raha araka ny fantatra.
Pati
Legende : Ity ilay jiolahy niafina tao anaty plafond !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT