TSARAHASINA AMBOHIMANGAKELY

Mpisandoka ho zandary tratra nanendaka


  • Alatsinainy 18 Septambra 2023

Sady nahasosotra no nampalahelo ny fihetsika nataon’ity lehilahy iray tratra nisandoka ho zandary ao

Ambohimangakely ny faran’ny herinandro teo. Fanamiana zandary any amin’ny Comores no nanaovany hoy ny vaovao, ny pataloha miloko maramara mitovy loko amin’ny an’ny mpitandro ny filaminana, ny amboniny kosa hafa dia hafa. Voatery nosamborina izy noho izany ka teo ihany koa no nahafantarana fa mpanendaka ny anaolahy . Nirohitra nanatona ny zandarimariam-pirenena ao Ambohimangakely avokoa mantsy ireo efa nendahiny raha vantany vao nahare fa voasambotra ny anaolahy. Anisan’ireny ilay voaendaka 598.000 Ar tao anaty alan'i Tsitiamainty ny volana Aogositra lasa teo. Telolahy samy manao fanamiana mitovy no nanendaka azy ka anisany ity voasambotra ity. Efa natolotra fitsarana moa ity zandary lavavolo ity ka notanana am-ponja vonjimaika. Tsiahivina fa mbola nanamafy ny maha-zandary azy ao Ambohimangakely ihany ny tenany na dia tsy izy aza fa mpisandoka rehefa nohadihadiana.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana efa sasatry ny miaina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

  • Miaramila 7 nanao jiolahy
  • Talata 28 Aprily 2026

Nanasa tànana ny Fanjakana…

Hijery ny tohiny
FTT