Fandriampahalemana

Tsara fitaovana sy ampy kotrana ny tafika Tsy efa tokony hatahotra amin’izay ve ny dahalo ?


  • Alatsinainy 28 Jona 2021

Nisongadina ny matso tetsy Mahamasina nandritra ny fanamarihana ny faha-61 nahazoana ny fahaleovantena sady fetin’ny foloalindahy.

 Mampiharihary sy maneho mandrakariva fa manana ny maha izy azy ny tafika sy ny mpitandro filaminana Malagasy. Fotoana hanehoana ny tanjaka sy ny lanjany eto amin’ny tany sy ny Fanjakana rahateo ny matso lehibe isaky ny 26 jona tahaka ireny. Raha jerena amin’ny endriny ivelany, tokony ho efa mba hatahotra amin’izay kosa ny jiolahy sy ny dahalo. Raha ny hita teny Mahamasina dia tsara fitaovana sy ampy kotrana tsara ny mpitandro filaaminana eto Madagasikara. Ny jeneraly rahateo isika no mety tompondaka eran-tany amin’ny fahamaroany. Tokony hanana paikady maro be izany sy mpitari-tafika mahavita azy fa tsy sanatria atao mameno birao miasa amina minisitera hatrany ny manamboninahitra zandary sy miaramila. Mila alefa mitari-tafika manenjika dahalo mihitsy, mba hampandry fahalemana ny vahoaka Malagasy tsivakivolo. Na aiza na aiza rahateo aleha eto Madagasikara, dia ahenoana tsy fandriampahalemana hatrany, ary matetika tena mihantsy ny mpitandro filaminana aza ny jiolahy sy ny dahalo. Irariana mba tsy ho endrika ivelany intsony, ka rehefa handrava hetsika politika dia tena miharihary sy miranirany ny fampisehoana tanjaka, fa rehefa asa fampandriana fahalemana misy olana sy lesoka foana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT