Fandriampahalemana

Tratry ny vela-pandriky ny dahalo Zandary iray maty, 2 maratra mafy


  • Alakamisy 26 Desambra 2019

Zandary telolahy avy ao amin'ny Tobi-paritry Zandarimaria Ambatomanoina nanao fisafoana no tratry ny fanafihana tampoka sy velapandrika nataon'ny jiolahy ampolony mitam-piadiana mahery vaika tao Ambohimiandry fokotany Miarikofeno,

Kaominina Ambohibary Vohilena Ambatomanoina ny marainan’ny 24 desambra 2019 teo. Vokany, lavo ny Zandary iray, ny roa naratra ka ny iray dia maratra mafy voatery nanaovana vonjy aina tamin'ny angidim-bý. Noho ny ratra mafy nahazo azy moa nahalavo ilay Zandary iray voatifitra tao an-damosiny; Ilay iray voatery novonjena tamin'ny angidim-by nentina eny amin'ny Hopitaly miaramila Soavinandriana (Cenhosoa) kosa dia voatifitra teo amin'ny kibony sy fény. Tonga namangy ny naratra teny amin'ny Cenhosoa ny Jeneraly SEG sy ny Komandin'ny Zandarimariam-pirenena ombam-bady sy ireo tomponandraikitra ambony tafika sy zandary. Nisaotra ny Fitondram-panjakàna sy ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena nanome fitaovana nahafahana nanao ny vonjy aina ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria. Mitohy avy hatrany ny haza-lambo any an-toerana ahitana ireo nahavanon-doza.

Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT