Tratran’ny fokonolona saika hangala-jaza

Nilaza fa 300.000 Ariary ny karamany


  • Alatsinainy 22 Aprily 2024

Tratran’ny fokonolona teo am-panambatambazana ary nikasa ny hitondra sy hangalatra zazavavy kely

iray 5 taona hanaraka azy ny lehilahy iray 42 taona, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Tao Ambodivona Antsahabe, Bongatsara, no nisehoan’ity raharaha ity. Miisa 2 ireo ankizy notambatambazany saingy tsy nanaiky ilay iray ka raikitra ny fitsofana kiririoka eraky ny tanàna ary voasambotra noho izany izy. Misy horonam-peo nomen'ny fokonolona ny Zandary izay ahenoana ny fanambaran'ity lehilahy ity milaza fa nisy naniraka hangala-jaza izy ka vola 300.000 Ariary no karamany. Efa notazonina vonjimaika any Tsiafahy kosa ity olon-dratsy ity, raha ny fampitam-baovao voaray farany hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT