Fandriampahalemana

Tratra i Zaka lava jiolahy raindahiny Mitaky fitsaram-bahoaka ireo nanaovany asa ratsy


  • Talata 28 Novambra 2017

Fanafihana ny lehiben’ny faritra teo aloha Ranaivonirina Jean Yves no nahafantarana an’i Zaka lava. Mpikambana amin’ny tambajotra jiolahy mahery vaika ao Ambatondrazaka ny lehilahy.

Ankoatra ny famonoana an’ilay mpiambina toeram-pivarotana iray ao Ambalabako tamin’iny herinandro iny dia fantatra fa efa namono olona tao amin’ny tsena Ambatondrazaka ihany koa izy. Nisy fotoana efa tonga teny amin’ny fitsarana izy no tafaporitsaka nandositra. Marihina fa vao 21 taona ny lehilahy kanefa efa jiolahy hikoizan’ny rehetra. Mampiasa fanamiana mpitandro ny filaminana ny tenany rehefa hanao ny asa ratsiny. Rehefa avy manao fanafihana ao Ambatondrazaka izy dia somary misintaka kely ny tanàna ka manorim-ponenana any Moramanga. Ry zareo avy eo anivon’ny polisim-pirenena no nanao ny fikarohana an’i Zaka lava taorian’ny fitarainana nataon’ny lehiben’ny faritra teo aloha. Ny faran’ny herinandro teo no sarona tany an-tranony ao Antsahalava izy.

                                                             Niry A

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT