Fandriampahalemana

Trangana fakana an-keriny Fitarainana 10 no voarain’ny polisy tao anatin’ny tapa-bolana


  • Zoma 17 Jona 2022

Maro ireo trangana fakàna an-keriny hita sy nanaovan’ny « Cellule Opérationnelle » fanadihadiana nanomboka ny faramparan’ny volana mey no mankàty.

Miisa 10 ireo trangana fakàna an-keriny niseho voarain’ny Polisim-pirenena nanomboka ny 30 May lasa teo ka hatramin’ny afak’omaly 14 jona. 15 ka hatramin’ny 37 ny salan-taonan’ireo very. Faritra maro no nitrangan’izany. Miisa 13 kosa ireo fikasana hanao fakàna an-keriny (tentatives d’enlèvements) izay niseho. 14 ka hatramin’ny 29 ny salantaonan’ireo niharan’izany. Taorian’ny fanadihadiana sy fikarohana dia fantatra fa manararaotra ilay tranga miseho ny ankamaroan’ny olona sy ireo ankizy sasany. Miisa 09 noho izany ireo ankizy na olona mandositra miala ny toeram-ponenany ka milafika any amin’ny namany na ny sakaizany (Fugue). 04 tafiditra ao anatin’ny fanodinkodinana zaza tsy ampy taona (Détournement de mineur) toy ny nitranga tetsy Nanisana Antananarivo. Miisa 04 ny fandikàn-dalàna nataona zatovo na ditran-jatovo voaray (Délinquance juvénile). Ny iray kosa famonoana olona (assassinat) toy ny niseho tany amin’ny faritra Anjiro lalam-pirenena faharoa.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT