Trangam-piarahamonina

Pasiteran’ny fiangonana zandriny ahiana ho nangalatra moto


  • Talata 23 Janoary 2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Fianarantsoa tany.

Very ny kodiaran-droa na ny moto an’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana any an-toerana. Nametraka fitoriana ity farany noho izany ka nanomboka nanao fikarohana ny mpitandro ny filaminana. Fotoana fohy taorian’izay dia hitan'ny mpitandro ny filaminana teny amin'ny mpandoko moto ny fitoeran-tsolik'ilay moto izay voalaza fa very. Rehefa natao ny fikarohana dia nanoro ilay olona tompony ilay mpandoko moto nahafahana nisambotra ilay tena mpangalatra. Voalaza ho pasitera amina fiangonana zandriny ao Fianarantsoa anefa ity farany. Mbola nahitana kojakojana moto koa moa tao an-tranon'io pasitera io rehefa natao ny fisavana azy, ary fantatra fa efa nisy moto iray hafa koa natakalony tany amin'ny olona tao Fianarantsoa ihany. Hatao famotorana ao amin'ny Section de recherches Criminelles any an-toerana ity lehilahy ity hatramin’ny omaly ary hatolotra ny fitsarana rahampitso Alarobia rehefa vita izany. Ankoatra ny fahafaham-barakan’ny fiangonana zandriny moa dia anisan’ny tena mampalahelo amin’ny tranga tahaka itony ny fanalam-baraka ny anaran’Atra izay hivavahan’ny maro.
Pati
Legende : Ity ilay lehilahy voalaza fa pastera amina fiangonana zandriny voalaza fa nangalatra moto !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT