Fandriampahalemana

Tranga tsy fahita firy Lasan’ny mpanakan-dalana ny lisi-pifidianana


  • Alatsinainy 14 Martsa 2022

Tsy mifidy asiana ny olon-dratsy fa izay heveriny fa ahitana misy vola sy harena azony petahana dia lasibatra avokoa.

 Tranga tsy dia fahita firy ity tany amin’ny kaominina Bebaboky Atsimo, distrikan’i Maintirano ity. Ny sabotsy tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany no nisy nanakana teny an-dalana ny delege, nitondra ireo taratasim-panjakana, ka ankoatra ny vola 480 000 Ar dia lasan’ireo olon-dratsy ihany koa ny lisi-pifidianana izay tokony hanaovan’ny mponina isam-pokontany fanamarinana ny anarany no lasan’ireo olon-dratsy nandritra ny fanafihana nataony. Lasa niaraka tamin’izany koa ny taratasin’omby maromaro sy fitombokase ary finday. Mpanakan-dalana miisa telo mitondra kibay antsy lava no nanafika azy. Vaky ny lohan’ity delege ity vokatry ny daroka nahazo azy, ka voatery manaraka fitsaboana any amin’ny Hopitaly. Tsy maintsy atao ny fanambarana fahaverezana, miaraka amin’ny tatitra ataon’ny rantsa-mangaikan’ny CENI mahakasika io lisi-pifidianana very io Hisy ny fanontana lisitra vaovao, ahafahan’ny mpifidy manamarina ny anarany, izay ezahina hahatratra ny fe-potoana voafaritra, hoy ny fanazavana sy ny famoaham-baovao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT