Tranga tany anaty taksibe zotra 133

Mpianatra very saram-pianarana


  • Alatsinainy 09 Febroary 2026

iray volana sy brushing

Mirongatra ny mpanendaka ao anatin'ny taxibe 133 mampitohy an'Ambodifilao sy Itaosy hopitaly na Cite, distrikan'Atsimondrano. Ankoatra ireo mitaraina ho very finday isan'andro mantsy dia tovovavy kely mpianatra iray indray no very saram-pianarana iray volana niampy brushing ny faran'ny herinandro teo. Tao anaty kitapo avokoa ireo rehetra ireo raha araka ny fanazavana azo. Tsy nahare na inona na inona mihitsy ilay mpianatra hoy ny vaovao azo fa Ilay poketrany efa nisokatrabe tsy nisy afa-tsy zavatra madinika sisa no nanaitra azy. Indrisy anefa hoy ny fanazavana fa efa tsy nisy olona intsony teo akaikiny. Ranomaso vokatr'izany no nentin'ilay tovovavy kely namonjy ny toeram-pianarany sy nitarainany tamin'ireo mpampianatra azy ka Ireto farany no niantoka ny saran-dalany namonjy fodiana. Tsiahivina moa fa miara-miainga amin'ny olon-drehetra toy ny handeha hianatra sy hiasa ny mpangalatra sy ny mpanendaka isan'andro. Tokony ho mailo araka izany ny tsirairay na eny an-dalana na any anaty taxibe hisorohana ny olana mety hitranga tahaka izao. Diso matahotra ny valifatin'izy ireny rahateo ireo mpanampin'ny mpamily taxibe na dia mahita ny asa ratsy hataony aza ka tsy mitoroka na miteny.
Pati
Légende : Hanjakan'ny mpanendaka tanteraka ny ao anaty taxibe 133 ankehitriny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT