Tranga mampivarahontsana

Ratsambatan’olombelona efa nizarazara, tsy hita ny vatany…


  • Talata 26 Aogositra 2025

Nitrangana zava-doza mampivarahontsana tao amin’ny fokontany

Seranana Vohibato, kaominina Andranomiditra, distrikan’i Vohibato, ny Alahady 24 Aogositra 2025, araka ny vaovao notaterin’ny mpanao gazety tao Fianarantsoa. Rantsambatan’olona, heverina ho ana vehivavy no hita tao Andranomiadiloha, toerana manakaiky ny lalana mankany amin’ny faritry ny Tanala. Tamin’ny 2 ora tolakandro no nahitana voalohany ireo taova efa nizarazara. Nanao fidinana ifotony avy hatrany ny zandary, ny mpitsabo ary ny tompon’andraikitra ara-panjakana, nijery sy nanomboka ny fanadihadiana. Na dia natao aza ny fikarohana manodidina, dia ireo taova ihany no hita. Tsy mbola hita hatramin’ny omaly ny ambin’ny vatan’ilay olona. Napetraka vonjimaika tao amin’ny biraon’ny kaominina Andranomiditra ireo taova, miandry fitsirihana ara-pitsaboana sy fanapahan-kevitra ara-dalàna. Tsy nisy mari-pamantarana hita tamin’ireo taova, ka mbola sarotra ny mamantatra ny mombamomba ilay niharam-boina. Tombanana ho vehivavy izy, araka ny fanazavan’ny mpitsabo sy ny manam-pahefana. Nentanina ny mponina hanao fikarohana sy savahao manodidina ny toerana nisehoan’ny loza, sao mbola misy porofo na taova hafa afaka manampy amin’ny fanadihadiana. Mitohy hatramin’izao ny fanadihadiana, araka ny vaovao avy amin’ny CB Alakamisy Itenina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT